ActualitésTsidika

Alasora: Samy nahazo ny anjarany tamin’ny hetsika Noely mizara fifaliana 2023 ireo mpianatra avy amin’ny EPP miisa 12

Nizara fanomezana ho an’ny mpianatra rehetra eny amin’ireo EPP miisa 12 ao an-toerana, nandritra ny hetsika Noely mizara fifaliana 2023, ny avy amin’ny kaominina Alasora. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny EPP nandritra izany.

« Hetsika fanaon’ny kaominina isan-taona ny Noely mizara fifaliana. Ho an’ity taona ity dia teto amin’ny kianja maitso no nisantarana izany. Izany moa dia fizarana kilalao ho an’ny ankizy ka tamin’ity taona ity dia elo kely ho an’ny ankizy vavy ary baolina ho an’ny ankizilahy no nozaraina » hoy ny avy amin’ny tompanandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka asehon’izy ireo hatrany ho famalifaliana ny kilonga amin’ny fotoana toy izao. Hirariana hitohy hatrany izany ezaka izany fa samy ahazo ny anjara tandrifiny avokoa ny rehetra.Hafaliana ho an’ireo ankizy hatrany ny mahazo fanomezana rehefa fety tahaka izao. Ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina ihany koa dia anisan’ny manao ezaka amin’ny famalifaliana ny rehetra, miisa 1783 moa ireo ankizy vavy nahazo fanomezana izany, 1573 isa kosa ny lahy.

Laisser un commentaire