Hémisphère nord : Biby tokam-po ny « Cygne »
Tsy gisa ny « Cygne » saingy samy ao amin’ny fianakavian’ny Anatidae izy ireo. Tsy gisa noho izany no misy miloko mainty fa ny « Cygne ». Iray amin’ireo karazana « Cygne » antsoina hoe Cygnus atratus izany. Ho an’ny Cygnus melancoryphus kosa dia ny tendany ihany no miloko mainty, ho an’ireo karazana telo hafa Cygnus olor, Cygnus buccinator, Cygnus columbianus bewickii ary Cygnus columbianus columbianus dia ny vavany na ampahany amin’izany ihany no miloko mainty.
Amin’ny toerana mafana (tempéré) no tena hitoeran’ny « cygne » ary tsy ahitana azy firy aty amban’ny tropika ankoatran’ny ao Australie, Nouvelle-Zélande ary Amérique du Sud. Mpifindra monina kosa ny ankahamaroan’ny karazana « cygne ». Anisany biby tena tokam-po ny « cygne » tokana ihany ny « cygne » miaraka amin’ny « cygne » iray ary mandrakizay izany amin’ny ankapobeny.
