Fampianarana: Mpampianatra aman’aliny no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny e-learning
Sekoly miisa 6060 manerana ny faritra 23 no nampiofana mpampianatra miisa 10 000 mahakasika ny fampiasana ny “plateforme e-learning”. Efa tsy afaka miala amin’ny firoboroboan’ny teknolojia avokoa ny rehetra eto Madagasikara ka izany indrindra no antony nanolorana izany fampiofanana izany. Tsy nanavahana mpampianatra izany fa voaray tamin’ny tetik’asa avokoa na ireo mpampianatra any ambany vohitrta aza. Nisitraka “tablettes” sy “power bank solaire” tsirairay avy ireo mpampianatra ireo araka izany. Aorian’ny fampiofanana dia afaka hampiana-tena ireo mpampianatra ka afaka ny hanolotra fampianarana matihanina ho an’ny zaza Malagasy. Miara-miasa amin’ny UNESCO sy ny UNICEF ny fitondram-panjakana tamin’ny famolavolana ny tetik’asa.
