ActualitésTsidika

Manandriana : Fomba manana ny hasina ara-panahy ny fanaovana tolon’omby

Fomba iray fanaon’ny vahoakan’i Manandriana Avaradrano, foko Zanadralambo amin’Andrianjaka, rehefa Fandroana ny Tolon’omby. Fahiny tamin’ny faha mpanjaka dia avy eny Anatirova ny omby marobe no halefa mirifatra eraky ny tanànan’Antananarivo ary samy mitolona daholo ny vahoaka. Izay mahazo Ilay omby dia lasa Tompony. Isan’ny singa iray maneho ny maha « guerrier » ny Merina fahiny moa izany. Ankehitriny dia efa tsy voatazona intsony izany fomba izany raha tsy eto Manandriana Avaradrano irery ihany. Ity fomba ity dia manana ny hasiny ara-panahy ho an’ireo Zanak’i Manandriana. Tsindriana moa fa ny Zaza vao mandro dia tsy maintsy homena Trafokena. Ny fianakaviana nanao saotra Omby moa dia tsy maintsy manome daholo. Izany dia Tso-drano avy amin’ireo Razambe sy ireo Raiamandreny. Henatra lehibe kosa raha toa ka tsy mahazo izay Trafokena izay ireo Zaza terak’i Manandriana-Avaradrano. Ny nofonkena mitampihavanana kosa dia miseho amin’ny alalan’ny fizarana hena ho an’ny mpianakavy.

Laisser un commentaire