Tontosa soa aman-tsara ny « Suburban Music and Art Festival » andiany voalohany
Ny fanomezan-tsehatra ireo tanora dia isan’ny vina iray hampandrsoana ny firenena. Isany amin’izany ny fampialana voly azy ireo mba hivelarany amin’ny sehatra maro, hoy i Aina, mpandray anjara.
Izany indrindra no antony nikarakaran’ny BTC tany Ambohimangakely ny andiany voalohany tamin’ny « Suburban Music and Art Festival » ny 8, 9 ary 10 jolay lasa teo. Hetsika ara-java-kanto maro no natao nandritra izany toy ny fifaninana Slam, ny Parkour, ny Cover ary fanentanana maro isan-karazany. « Nahafa-po tokoa ny hetsika sady nampiala voly, ary nahafahanay nampiseho ny talenta izay nanananay » hoy i Andry, mpitarika ny taranja « Parkour », sady mpikambana ao amin’ny fikambanana « BTC », nandritra ny hetsika.
« Hanome lanja ny mozika, ny dihy, ny fikarakarana sakafo sy ny fandokoana ary ireo karazana fanatanjahan-tena no tena tanjona tamin’ny hetsika ary tsy ho ajanona hatreo izany fa hotohizana hatrany araka izay tratra » hoy i Diamondra, mpikarakara ny hetsika. Zava-dehibe tokoa ny hetsika ho an’ny tanora sy ny talentany tahaka izao mba hahafahan’izy ireo mivoatra hitondra famapndrsoana teo amin’ny firenena. Ankasitrahana ny fikambanana BTC nanao ny hetsika ary hirariana mba hitohy hatrany izany.
Nicole Rafalimananjara
