Nobatain’ny Makis vehivavy indray ny amboara
Norombahan’ny Makis vehivavy indray ny amboara fanindroany omaly nandritra ny fifandonany tamin’ny Liona keniaina tao Nairobi. Na dia nanana tombony ara-batana aza ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena kenianina ireo dia tsy nahatohitra ireo vehivay Malagasy. Nanohitra hatramin’ny farany izy ireo saingy teo amin’ny fizaram-ptoana voalohany dia efa nahazo isa dimyny Makis raha mbola 0 kosa ny azy ireo.
Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 10 no 0 ny vehivavy Malagasy nandritra ity lalao rugby Africa Cup ity. Nikiry ny keniaina saingy nahatonga baolina indray i Véronique ao amin’ny ekipa Malagasy. Nisongadina nandritra ny lalao ihany koa i Nanou, i Voahangy ary i Hanta izay tsy nilavo lefona nanoloana ny hahabe sy ny hakingan’ireto mpifaninana.
Hasina Rasamimanana
