ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana

Ankalazaina anio ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Hisy lanomanana maro isan-karazany eny amin’ny Kianjan’ny Frera Androtra amin’io fotoana io.

« Manana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny Kaominina ny olona manana fahasembanana, ka hafaliana lehibe ho anay aty Ambohimangakely ny mandray izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakaley, Radafindranaro Thierry. « Misy lanonana sy trano heva isan-karazany ary varotra fampiratiana mandritra io fotoana io izay hanasana antsika rehetra hiara-hankalaza izany andro izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Olom-pirenena ny olona manana fahasembanana ka tsy tokony ho atao tsinotsinona akory. Samy manana ny mampiavaka azy ny tsirairay » hoy i Frida, mponina ao Ambohimangakely.

Fihetsika hanehoantsika ny firaisan-kina amin’ireo olona manana fahasembanana tokoa ny fanatrehana ity andro ity. Hetsika manodidina ny fahasembanana avokoa mantsy no hita mandritra izany, izay hitondrana fampandrosoana ho an’ny tanàna ihany koa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire