Ankadikely Ilafy : Nisy lamina vaovao ho an’ny « taxi kaominaly »
Nametraka lamina vaovao ho fanatsarana ny fitantanana ny « taxi kaominaly » sy ireo « taxi ville » miasa ao aminy ny Kaominina Ankadikely-Ilafy. Notanterahana ny 1 desambra lasa teo ny fivoariana teo amin’ireo tompon’andraikitra sy olona voasokajy ao anatin’izany ao anatin’ity kaominina iray ity.
« Nampahafantarina ireo mpitatitra fa hisy ny famoahana Licence ahafahan’izy ireo miasa ao anatin’ny ara-dalàna sy manaraka ny fandaminana ny fandrindràna ny tanàna » hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Noresahina nandritra izao fivoriana izao ihany koa ny drafitra hifampifehezana mahakasika ny toeram-piantsonana sy ny saran’izany » hoy i Rivo, mpamily taxi iray ao Ankadikely Ilafy.
« Etoana dia entanina koa isika fa hisy ny fepetra hentitra ho raisin’ny kaominina ho an’ireo fiara izay mijanona amin’ireny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ireny » hoy ireo mpanolon-tsain’ny tanàna. Marihina fa efa nandalo ary neken’ireo Mpanolon-tsaina ny tanàna ireo fanapahan-kevitra ireo ho fampandrosoana hatrany ny tanàna izay kendrena indrindra ho vita sy hihatra amin’ity faraparan’ny taona 2021 ity.
Antenaina mba tena hanova sy hampandroso ny tanàna tokoa izany, ary samy ho resy lahatra ny rehetra fa hitondra soa ho azy avy izany.
Nicole Rafalimananjara
