SocialTsidika

Nahazo lasopy mafana ny boriborintany enina

Tetikasa nokarakarain’ny Kaominina, ny ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny haikanto, kolontsaina sy ny fiainam-piaraha-monina (DACVC) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, ny orinasa Intelcia ary ny Restaurant Le Complexe ity hetsika ity. « Natao izao ho fanampiana ireo olona sahirana eny anivon’ny Boriborintany » raha ny nambaran’ny DACVC.

Fiaraha-miasa teo amin’izy ireo no nahafahana namahana mponina miisa 200 isaky ny ny Boriborintany 06 ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. « Mandritra ny 02 volana ity hetsika ity ary hifarana ny 08 septambra 2021 » hoy ny tompon’andraiktitra. Isaky ny sabotsy amin’ny 05 ora hariva ny fizarana izany hoy izy hatrany. « Mahafinaritra foana anie ny tahak’izao saingy ho anay aloha vahaolana maharitra no tena tianay na dia hoe misy isakin’ny sabotsy aza ilay izy » hoy ny renim-pianavakiana iray teny an-toerana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire