Fomba : Inona no antony tsy maintsy hanaovana ny famorana teo amin’ny Merina ?
Niteraka resa-be teto ami’nny tambajotran-tserasera tokoa ilay resaka fanerena ilay tovolahy 17 taona atao famorana. Tsiahivina fa tafaporitsaka foana ity tovolahy ity taloha raha nikasa hanao izany ny fianakaviany. Fa inona no antony tsy maintsy hanaovana ny famorana tety Imerina ?
Raha tsy mbola voafora ny zazalahy dia heverina ho toy ny vehivavy. Ary raha misy aza fivoriana atao dia miaraka mipetraka amin’ny vehivavy. Tsy azo alevina am-pasandrazana raha nodimandry ny lehilahy tsy voafora. Izany no mahatonga ireny zaza menavava ireny hanaovana fasana an’irotra.
Ny famorana ihany koa dia marika famatarana fa iray fianakaviana ny voafora. Marika fieken’ny raim-pianakaviana na ny raibeny fa zanany naterany tokoa ilay zazalahy noforaina amin’ny fiteloman’ilay ray na raibe ny lohan-tsitsy. Tsy misy resaka finoana mihitsy ambadik’izany famoràna merina izany. Mbola tsy manadino izany fomban-drazana izany ny merina ankehitriny. Ny famorana tokoa mantsy no kolontsaina manana ny lazany tokoa eto amintsika indrindra rehefa ririnina tahaka izao izay fotoana mahamaina vetivety ny fery.
Nicole Rafalimananjara
