SportTatitra

Côte d’ivoire : Nahemotra ny fifanitsanana CAN 2023

Nanao fanambarana ny CAF (Confédération Africaine de Football) fa hanemotra any amin’ny volana janoary/febroary 2024 any ny fifanitsanana CAN 2023. Nanazava ny filohan’ny CAF Patrice Motsepe ny toetrandro no anton’izany fanemorana izany. Marihina fa vanim-potoan’ny orana ao an-toarana ny volana jona/jolay.

Nandritra ny fivorian’ny ComEx (Comité exécutif) tao Rabat no tapaka izany fanam-pahankevitra izany raha ny voalazan’io tompon’andraikitra io. Nanamafy izy fa tsy misy hifandraisany amin’ny fikarakaran’i Côte d’ivoire ny fifaninana izany. « Tena mirehareha amin’ny asa vitan’i Côte d’ivoire sy ny ezaka nataony aza aho » hoy io lehiben’ny baolina kitra aty Afrique io.

Laisser un commentaire