Maurice : Jean-Georges Prosper, poeta nanoratra ny hiram-pirenena
Poeta avy ao amin’ny nosy Maurice i Jean-Georges Prosper. Teraka ny taona 1933 ny tenany. Nianatra tao amin’ny Sorbonne tao Paris izy ary nahazo marim-pahaizana sy « doctorat » tao an-toerana.
Lasa filohan’ny fikambanan’ny mpanoratra teny frantsay sy ny filankevitry ny fanabeazana tamin’ny teny frantsay tao amin’ny Nosy kosa izy taorian’izany. I Jean-Georges Prosper no nanoratra ny hiram-pirenen’i Maurice (Motherland) sy ny Tantaran’ny literatiorany teny frantsay (1978).
