Ambohimangakely : Nanatanteraka atrik’asa mahakasika ny fananganana tsenan’ny litchis ambongadiny ny kaominina
Tamin’ny Alakamisy faha 17 ny volana Novambra lasa teo no nanatanteraka atrik’asa mahakasika ny fananganana tsenan-daodisia ambongadiny ny teo anivon’ny kaomonina Ambohimangakely. Tonga nanatrika izany atrik’asa izany ny fitaleavam-paritry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana sy ny FormaPROD ary ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina.
« Sehatra iray anisan’ny manome lanja ny ekonomia malagasy ny lafin’ny varotra sy ny fanondranana , indrindra fa ny lodisia. Ao anatin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra tahaka izao, anisan’ny zava-dehibe tokoa ny fandraisana an-tanana ny tsena eo amin’ity sehetra ity » hoy i Seta, mpandraharaha amin’ny varotra.
« Anisan’ny fiovana andrasana amin’izao ny akon’ny atrik’asa eo amin’ny resaka fampandrosoana sy fampiroboroboana ity sehetra ity. Ny lodisia izany anisan’ny mamelona ary mampidi-bola ho an’ny olona maro misehetra amin’izany” hoy I Fanilo,
Miroborobo ny sehetry ny varotra eto amintsika ary saika hita misehatra amin’izany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Raha misy ny fandraisana andraikitra sy ny fampananrahan-dalàna ary ny mangaraharaha, mety hitondra fampandrosoana goavana izany.
Manitra Ramanantsoa
