Talata Volonondry : Tontosa ny ady fototra ny EPP Avaratsena
Notanterahina afak’omaly ny fiadiana fototra ny EPP Avaratsena ao Talata Volonondry. Isan’ireo sekoly tranainy tokoa mantsy ity, ary tsy antonona ireo mpianatra intsony.
« Tsy mitsahatra mikaroka izay fiaraha-miasa rehetra ny kaominina hanampiana ny sekoly eto ampintsika hampianarana ny zanatsika. Haorina eto Avaratsena ho fanampin’ny sekoly efa misy efitrano miisa telo » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Misaotra antsika rehetra tonga nanatrika ny ady fototra sy nanolotra fanampiana ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana. Isaorana indrindra ny avy ao amin’ny MDF namaly ny antso » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Miainga amin’ny fampianarana fototra tokoa no hamolavolana ny ankizy tsirairay. Tokony volena ao antsain’ny ankizy foana ny maha zava-dehibe ny fianarana.
Nicole Rafalimananjara
