ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny amin’ireo fokontany

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny lalana ao amin’ny kaominina Alasora, amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fanamboarana teny amin’ny lalana mampitohy an’ny fokontany Tanjonandriana, Ambohimarina ary Ambohitanety sy ny manodidina, dia nitohy tao Ankadinitavimena ka hatreny Mendrikolovana izany ny herinandro lasa teo.

« Ny ampahany voalohany amin’ny asa fanamboaran-dalana eto amin’ny kaominina no vita amin’izao fotoana dia ny tety amin’ny fokontany Ankadinitavimena, Mahatsinjo, Ankady, Ampangabe ary Mendrikolovana izany » hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.

« Efa ela no niandrasana izao fanamboarana ny lalana izao ny mponina ary hisaorana ny kaominina ny fandraisana andraikitra. Tsara kojakojana hatrany anefa ny asa mba hampaharitra azy, ary hanentanana ny tsirairay izany » hoy i Haja, mpitatitra.

Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny mponina eny ifotony ny fanamboaran-dalana tahaka izao. Anisan’ny ezaka ataon’ireo tomponandraikitra miadidy ny kaominina ihany koa izany, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire