ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa : Tapaka ny lalana ao Tsarasaotra mankany Antsofinondry

Tapaka nanomboka ny alarobia 19 janoary lasa teo ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy i Antsofinondry. Mbola tsy voalaza mazava ny andro hisokafany hatreto.

« Voatery tsy maintsy notapahana aloha ny lalana eo Tsarasaotra makany Antsofinondry. Izany no natao mba hisorohana ny loza mety hitranga sy ny mety ho fahasaimban’ny lalana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy. « Mila mahay miandry ny fanambarana ataon’ny Ministera isika mpampiasa lalana vao tokony hampiasa izany. Aleo tokoa mihafy kely sy mahandry mba hananana ny soa » hoy i Gilbert, mponina ao Antsofinondry.

« Betsaka ny lalana simba taorian’ireny ora-mikija mifanesy ireny. Mila mitandrina ny rehetra satria atahorana ny mety hisian’ny fihotsahana tampoka » hoy i Fetra, mpianatra mikasika ny asa vaventy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Miakatra eny amin’ny arabe ny rano amin’ity lalana ity. Dibo-drano tanteraka aza ireo tanimbary manodidina ny lalana. Tsy maintsy noraisina ny fepetra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire