TSARAMASAY: Nandray an-tànana ny fanadiovana ny mpitandro ny filaminana
20 Janoary, 07h00. Tonga nanampy ny mponina teny Tsaramasay tamin’ny fisorohana ireo tsikafona tao anatin’ny lakan-dranon’Andriantany ireo mpitandro ny filaminana. Entina hisoroana ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra amin’izao firotsahan’ny orana izao izany. Anisany andraikitry ny polisy ny fanomezana tànana sy fanampiana ny vahoaka, indrindra amizan’izao andro sarotra izao.
