Dépêches

Ankoay U19 : Mbola maro ny ezaka mila hataon’ireo mpilalao tsirairay

Dépêche 27 novembre, 16h, Ny volana jona 2023 no ho tanterahina any Hongrie ny Amboara eran-tany amin’ny lalao Basketball U19 2023. Efa miomana ho amin’izany ireo mpilalao Ankoay amin’izao fotoana ka efa tanteraka ny fampivondronana voalohany. Efa samy naka aina avokoa ny ekipa tsirairay kanefa hahafahana manomana izany amboara eran-tany izany dia nahazo ny enti-mody tsirairay izy ireo hahafahany manomana ny tenany ho amin’ny fampivondronana manaraka. Ireo mpilalao sasany izay tsy tonga tamin’ny fampivondronana ihany koa dia handray ny asa miandry azy ireo tsirairay. Izany no hatao mba hahafahana manomana ekipa mendrika ny hiatrika izany amboara eran-tany izany. 

Laisser un commentaire