Iray volan’ny sary hoso-doko : Misokatra androany ny andiany voalohany
12 Jolay, 16h30, Mba ahafahan’ireo mpanakanto mivelona amin’ny sangan’asany amin’ny maha varotra fampirantiana izany dia nikarakara ny hetsika Iray volan’ny sary hoso-doko ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Natao ho an’ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina marolafy izany izay manomboka androany 12 Jolay hatramin’ny 12 Aogositra 2022 izao.
Hizara roa ny hetsika, ka ny tapany voalohany dia eo Analakely, ka ho ravahina ny fampirantiana amin’ny sangan’asan’ireo mpandray anjara ny fefy vy manodidina ny zaridaina rehetra eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena. Ny tapany faharoa kosa dia ny fampirantiana anaty trano iarahana amin’ireo mpiara-miasa, toy ny ao amin’ny Ivokolo Analakely, ao amin’ny Hall Lapan’ny Tanàna, ao amin’ny IKM Antsahavola, CGM, manoloana ny zaridaina Antaninarenina, Alliance Française Andavamamba ary ao amin’ny Jumbo Score Ankorondrano.
