ActualitésTsidika

Mandritsara : Toa misy tranga hafahafa

Samy manao izay ampidi-bola aminy ireo tonga ao Sahantona  izay toeram-pitrandrahana volamena ao amin’ny kaominina Andohajango Mandritsara. Nahitana tranga hafahafa tao an-toerana : olona efatra izao no voalaza fa niraikitra teo ampanaovana firaisana ara-nofo ary tsy maintsy nifamonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana.

« Misy ireo tena mitrandraka‚ ao ireo mpivarotra sy mpividy volamena ary efa betsaka ihany koa ireo mpampanofa vatana tonga any mitady ravinahitra. Misy ny tranga hafahafa miseho tato ho atao teto an-toerana » hoy ny tompon’andraikitra iray ao an-teorana. « Ny roa voalohany‚ mpampanofa vatana sy ny mpanjifany ary ny faharoa kosa olona roa samy efa manambady. Niaraka nankafy fitiavana tany an-davaka hanaovana ny fitrandrahana. Raikitra teo ampanaovana firaisana ara-nofo. Tsy sahy niantso vonjy ny alin’iny izy ireo fa niandry andro maraina vao mangiran-dratsy nitady vonjy sy vahaolana » hoy i Damascène, mpanangom-baovao ao Mandritsara.

Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny tena antony mahatonga ireo loza ireo. Mananika any amin’ny 50 000 ny olona tonga any an-toerana ankehitriny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire