ActualitésTatitra

Catholic Relief Services : Miasa ho an’ny tanindrazana

Fikambanana mpanao asa soa ny fiangonana Katolika ao Etats-Unis ny CRS (Catholic Relief Services) izay niorina ny taona 1943. Miasa eto Madagasikara ny CRS ary misahana sehatra dimy izay heverin’izy ireo fa tena laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny firenena, fanamaivanana ny fahasahirana ary ny fanafainganana ny fampihenana ny fahantrana izy ireo.

Isan’izany sehatra izany fanazabeazana ; ny asa vonjy taitra ; ny fivelomana maharitra sy tontolo iainana ; ny fahasalamana, sakafo sy rano, fidiovana ary fahadiovana ary ny tanora. Miasa momba ny miralenta sy ny fampidirana (inclusion) ary ny fitantanana sy ny fiaraha-monina ihany koa nefa ny CRS Madagasikara.

Amin’ny 3 jona izao manomboka amin’ny 9 ora dia hisy ny hetsika The Change Makers handraisan’izy ireo anjara, iresahana momba ny fitantanana ny fako mahaomby kokoa izany ary atao ao amin’ny UCM.

Laisser un commentaire