Vokam-panadinana BEPC : Nivaly ny fanadinana tamin’ny fari-piadidim-pampianarana sasany
12 Jolay , 15h30; Miisa 33 hatreto ny fari-piadidim-pampianarana namoaka ny valim-panadinana BEPC. Ankoatra ireo efa nivoaka ny faran’ny herinandro teo dia nivaly ihany koa izany tao Antanambao Manapontsy (83%), Benenitra (86%), Antsalova (88.79%), Betroka (52.41%), Betafo (61.32%), Ikalamavony (47.05%), Ambatondrazaka (51.01%,) Ihosy (62.26%), Anjozorobe (72.01%), Isandra (47.03%), Ambatolampy (59.19%), Mananjary (63.07%), Ambohidratrimo (63.47%), Ankazobe(71,42%), Tsaratanana (62.43%).
