Dépêches

Sosialy : Tafaverina soamantsara ilay renim-piankaviana nisy naka an-keriny

Dépêche 12 juin, 11h, Nalain’ny dahalo an-keriny tao an-tranony ity renim-pinakaviana iray tao Tanandava Beroboka ity ny alin’ny 7 jona lasa teo. Nanome vola 20 tapitrisa ireo fianakaviana nahafahana nanavotra ny ainy. Araka izany dia tsy misy ahiana ny ainy. Voatifitry ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo olon-dratsy rehefa natao ny fanarahan-dia. Nitonona ny anaran’ireo mpaniraka iob voatifitra io ka efa eo am-pelantanan’ny zandary raha mbola karohina kosa ireo namany malaso.

Laisser un commentaire