Notoloran’ny Minisitry ny serasera sy kolotsina mari-boninahim-pirenena ny mpanakanto Sammy Rastafanahy
24 Septambra, 08h14. Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly tolakandro ny vatana mangatsiakan’ny mpanakanto Sammy Rastafanahy. Noentina teny amin’ny tranompokonolona Analakely avy hatrany nanatanterahana ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National ». Anio kosa no hanainga ho any Mahajanga, izay toerana handevenana azy ny Alahady ho avy izao.
