Rongony tratran’ny polisy tany Ihosy
23 Septambra, 11h12. Rongony miisa valo gony milanja 66 kilao no tra-tehaky ny polisim-pirenena tao Ihosy rehefa natao ny velam-pandrika maty paika. Araka ny fantatra dia saika hoentina any Antananarivo ireo rongony ireo no izao tra-tehaka izao, olona telo no fantatra fa niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity, ary vao ny iray amin’ireo no voasambotra fa ny roa kosa mbola karohina fatratra.
