SportTatitra

Qatar : Ho ampiasaina amin’ny « Mondial 2022 » ny teknolojia vaovao « Hors-jeu Semi-automatique »

Nankatoavin’ny FIFA ny fampiasana « Hors-jeu Semi-automatique » amin’ny fiadiana tompondaka eran-tany ny baolina kitra 2022. Fitaovana iray entina hanafainganana sy hitokiana ny fanampaha-kevitry ny mpitsara izany.

Dingana iray lehibe eo amin’ny sehatry ny fitsarana io fitaovana io. Marihina fa efa natao andrana nandritra ny « Coupe arabe » tany amin’ny faraparan’ny taona 2021 sy ny « Mondial des clubs » izany. Ahafahana mamantatra ny toeran’ny mpilalao sy ny baolina io fitaovana io ary manamora ny famantarana « hors-jeux ».

Misy « capteur » apetraka ao anatin’ny baolina sy fakantsary 12 apetraka eny amin’ny tafo io teknolojia vaovao io. Afaka manamarina ny « 29 points de données » isaky ny mpilalao tsirairay in-50 isan-tsegondra izany.

Laisser un commentaire