SocialTatitra

France : Maty ilay mpamono olona Michel Fourniret

Firifiry ireo vehivavy naholan’i Michel Fourniret sy novonoiny ? Efa 12 ireo niharam-boina izay efa nanatona ny fitsarana : ny 8 izay nanameloka azy avy hatrany, ary ny fitsarana roa izay natao aza nanagadra azy mihitsy, fa ny 4 kosa izay mbola hanaovana famotorana. Misy koa ireo hafa izay tsy ho hita intsony na ny fatiny aza. Ny alatsinainy 10 may, manam-pahaizana iray no namaritra azy ho iray amin’ireo antsoina hoe « tueurs en série » matanjaka indrindra mbola tsy hita tao Europe. Ny 10 may teo no nodimandry ity mpamono olona ity, tao amin’ny Unité hospitalière sécurisée interrégionale (UHSI) ao Paris. Ny 28 aprily lasa teo izy no nanomboka niditra hopitaly tao amin’ity hopitalin’ireo voaheloka. Mbola mandeha ny fikarohana ny amin’izay nahafaty ity « tueur en série » ity.

Laisser un commentaire