Afghanistan : Olona maro matin’ny fipoahana baomba
Olona 11 no maty tao faritry Zaboul, ary 25 naratra vokatry ny fipoahan’ny baomba iray tamin’ny fiara fitaterambahoaka tao Afghanistan ny alatsinainy 10 may teo. Ora vitsy tao alohan’ny fanambaran’ny Talibans ny fanajanonana ny ady mandritra ny telo ho fanamarihana ny Aïd el-Fitr (fanamarihana ny fiafaran’ny Ramadan). Ny mpitondra tenin’ny governora ao Zaboul, Gul Islam Sial, no nanamarina fa 25 ireo naratra ary nisy zaza amam-behivavy tao anatin’ireo. Nilaza ary ireo mpikomy tao aorian’izay fa hanambara fanajanonam-piadina mandritra ny telo andro mandritra ny fotoanan’ny Aïd el-Fitr mba ho fanajana ity fotoana masina ho an-dry zareo silamo ity.
