Fanodidinana fako: Azo ampianarina ny ankizy tsara amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao
Anisan’ny fampianarana na fanabeazana tsara omena ny ankizy ny fitantanana ny fako. Mbola kely ny olona dia tsara omena fahalalana, entanina ary ampianarina mba ahay mikajy ny fako, fa indrindra ahay manodina ny fako.
Maro ny fanentanana efa naton’ireo tomponandraikitra na mpikaroka momba ny fanodinana fako mba ho lasa akora fototra na vidiram-bola. Ny fako ampiasaina ihany dia afaka avadika ho fidiram-bola. Tombony lehibe amin’izao fotoam-pialantsasatra izao ny fampianarana ny ankizy amin’izany.
“Tany am-pianarana no nampianatra ahy handrary amin’ny fonosana bisikoitra. Ilay fonosana tsy mbola rovitra no ilaina hanaovana azy. Tamin’ny voalohany dia manentana ny olona rehetra izay hita mihinina bisikoitra mihitsy mba tsy handrovitra na hanary ny fonosana satria ahavitana zavatra tsara ilay izy” hoy i Lalaina, mpianatra amin’ny CEG.
Misy karazany telo ny fako. Samy azo avadika ho akora fototra avokoa izy ireo na anodinam-bola. Misy ny fako biolojika na ireo mora lo, misy ireo fako plastika ary ny fako tsy mety simba sy lo na ela vao levona. Azo atao tsara ny mitrandraka sy mitantana ny fako. Miainga eny an-tokatrano anefa ny fampiharana izany. Manana andraikitra kosa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanentanana mahakasika izany.
Manitra R.
