ActualitésTatitra

Russie : 11 farafahakeliny no maty tamin’ny fitifirana tao Kazan

Tsy latsaky ny 11 no maty androany talata 11 may noho ny fitifirana tao amin’ny sekoly iray tany Kazan, tanàna iray ao afovoan’i Russie. Ahiahiana ho tanora vao erotrerony, adolantsento, no nahavita izany, ary maty voatifitra ny iray hafa. Voasambotra ny iray raha ny nambaran’ny masoivoho iray any an-toerana. Ity no tifitra henjana indrindra nanomboka ny taona 2018 nisy tamina sekoly, ary hita fa voafehin’ireo nahavanon-doza tsara ny fitanana basy. Hita fa mirongatra tato ho ato ny tranga herisetra atao amin’ny mpianatra. Mpianatra 9 no maty tamin’ireo 11, ary 32 no naratra, raha ny tatitra nataon’ny TASS sy i Ria Novost. Mpitandro filaminana miisa 21 no nalefa nandamina ny zava-nisy tany. Ireo mpianatra aza nisy nitsambikina avy any amin’ny rihana fahatelo mba hitsoaka ny tifitra. Nohamafisina ny fepetra hiarovana ireo sekoly hafa ao Russie amin’izao.

Laisser un commentaire