ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Jiolahy iray mpamerin-keloka tratra noho ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana

Nahitam-bokany ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana ataon’ny mponina sy ny zandary ao amin’ny brigadin’Ambohimanambola. Taorian’ny fahatratrarana ireo efa-dahy nikasa hamaky trano an-toerana dia jiolahy mpamerin-keloka iray, antsoina hoe i Lava no tratran’ny zandary indray ny alatsinainy teo, rehefa nokarohana nandritra ny fotoana vitsy.

“Jiolahy mpamerin-keloka, efa sasatry ny migadra, havanana amin’ny resaka famakiana trano sy fangalarana akoho amam-borona anaty fisoko i Lava ity. Rehefa mandalo tanàna izy tsy maintsy misy trano vaky. Ankehitriny voasambotry ny zandary rehefa niara-niasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka” hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria.

“Ny 28 jona hifoha 29 jona ity jioalahy ity no namaky trano tao amin’ny fokontany Mahatsara, Ambohimanambola. Akoho mpiady miisa 10 no azony tamin’izany. Olona tsara sitrapo no nampahafatatra ny zandary fa hita mivarotra akoho mpiady teny Ankadindratombo ity farany ka nanaovana fikarohana sy fanadihadiana” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ny alatsinainy teo no tratra tao an-tranony ity lehilahy ity. Nandritra ny famotorana azy koa no nanekena ny heloka vitany ary nanambarany fa efa mametika migadra eny Antanimora ny tenany.

Manitra R.

Laisser un commentaire