Tsidika

Fizahantany: Tafiditra anatin’ny firenena  Afrikanina 5 tsara tsidihana mandritry ny faialan-tsasatra

Araka nynavoakan’I Luxury Travel magazine dia tafiditra ao anatin’ireo firenena Afrikana 5 tsara tsidihana indrindra manadritry ny fialan-tsasatra i Madagasikara. Rah any lisitra nivoaka dia ankoatran’I Madagasikara dia mameno azy ho dimy ao I Kenya, Maroc,Egypta ary i Afrika Atsimo.Araka ny efa ambara ombieny ombieny dia firenena manan-karena ara-boajanahary i Madagasikara. Mbola tombony ho azy ihany koa ny fananany karazan-java-boahary tokana am-tany maro izany hoe tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ihany.

“Noho ireo harena ara-java-boahary ao aminy dia  sokajiana ho Nosy paradisa I Madagasikara ho an’ireo mpankafy ny natiora sy ny fandendehanana  ary ireo karazana traikefa mahafaniratra isan-karazany. Raha hitanisa vitsivitsy ireo zava-boahary mampiavaka ity Nosy ity dia misy ny:  ragidro isan-karazany, ny tarondro sy tanalahy, ny orkide ary ireo baobaba izay karazany maro. Maro tsy voatanisa ny mampiavaka azy fa santionany ireo.” Hoy ny avy amin’ny Luxury travel Magazine.

Nanamafy ny voalaza ity ihany koa ire’o mpiseghatra Malagasy amin’ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikra. «  Samy manana ny antony hatongavany sy nisafidianany an’i Mdagasikara avokaoa ireo mpizahantany vahiny raisinay eto. Ao ireo milaza fa noho i Mdagasikara Nosy no antony izany hoe afaka hanaovana fizahantany an-dranomasina tsara ary fanampin’izay koa ny hatsaran’ny tora-pasik’i Madagsaikra. Ao koa anefa ireo milaza fa noho ireo karazana biby sy zava-maniry hita aty. Misy koa ny nisafgidy an’i Madagsikara noho ny kontsaina misy eto sy ny fiaraha-monina ary misy aza moa dia nohon’ny toetr’androntsika eto fotsiny no antony. » hoy i Fidy mpiondra vahiny mpizahantany.                                                                                                                  Tsara ho fanatatra fa efa manomboka miditra amin’ny vanim-pooana mafana amin’ny resaka fizahantany isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany dia efa mandeha amin’izao fotoana izao ireo doka sy fampahafantarana isan-karazany manodidina ny fizahantany. Ireo mpisehatra maro samihafa ihany koa dia mihomana arak’izay amin’ny fandraisana ny mpitsidika  

Miranto Andrih

Laisser un commentaire