Tsidika

Coupe d’Afrique de Football: Nanambara ny tsy fahafahany hiatrika ity lalao ity ny Fosa Juniors FC

Araka ny voka-dalao sy ny lamina eo amin’n’y Federasionina Malagasy ny baolina kitra dia ny  Fosa Juniors FC izay tompondakan’i Madagasikara 2022/2023 no tokony handray anajara amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika  isan-tarika. Nanambara anefa izy ireo fa tsy afaka ny hiatrika ny fifaninanana sy hisolo tena an’i Madagasikara noho ny antony fifanindrian’ny fotoana  eo amin’ny lalao hafa.

“Hiaraha-mahalala fa mifanindry ny lalaon’ny Nosy sy ny fiodinana voalohan’ny savaranonandon’ny fifaninanan’ny CAF.Mpilalao miisa 8 izay andry hiankinan’ny ekipa anefa no voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny lalaon’ny Nosy, izay nivondrona nanomboka ny 15 Jolay ka hatramin’ny 6 Septambra. Noho izany dia sarotra ho an’ny Fosa Juniors FC no handrafitra ekipa hiaro ny voninahi-pirenena any Afrika, vokatr’izay fahabangana izay. Ny Fosa Juniors FC ihany koa dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fandaharam-potoanan’ny ekipam-pirenena.” Hoy ny avy amin’ny Fosa Juniors Fc  

Manoloana ity fanambarana izay nataon’izy ireo ity dia gaga ireo mpanaohana azy ireo satria fanampahaan-kevitra tsy nampoizina loatra ity noraisin’izy ireo ity. “Tena malahelo izahay.Herimpo very maina fotsiny izany ny ezaka natao rehetra nandritran’ny taom-pilalaovana teo. Na izany na tsy izany aza anefa dia manohana anareo foana izahay.” Hoy i José mpankafy baolina kitra.                                                                                          Maro amin’ireo mpanaraka Baolina Malagasy no naneho hevitra mikasika ity fanambaran’ny Fosa Juniors FC ity. Iaraha-mahalala ihany kosa anefa fa zava-dehibe tsy azo atao ambanin-javatra ny lalaon’ny Nosy izay handraisan’ny ekipa Malagasy anjara ka na dia eo aza izao fanampahan-kevitra izao dia manantena ny fanohanan’ny Malagasy rehetra ny ekipa  mandritra  ireo lalao izay miandry azy.

 Miranto Andrih

Laisser un commentaire