Manimba ny tontolo iainana ny « radakaboka »
Natomboka ny alatsinainy 20 septambra lasa teo any toamasina ny fihaonana siantifika mahakasika ny tetikasa radakaboka. Ity tetikasa ity dia fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana siantifika sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy. Tanjona amin’iy tetikasa ity moa ny hanafoanana ny radakaboka izay miparitaka ao an-toerana sy hanalefahana ny voka-dratsiny eo amin’ny mponina sy ny tontolo iainana.
Raha tsiahivina dia ny taona 2010 no nidiran’ity karazana sahona antsoina hoe « radakaboka » ity teto amintsika. Anisan’ireo karazam-biby mitombo haingana ity biby ity ka efa manodidina ny 20 tapitrisa ny isan’izy ity ankehitriny rah any tombana nataon’ny teo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana.
Nametraka laharana maitso ahafahana mampandre raha mahita ity biby mpanimba ity ny « radakaboka madagasikara », tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny radakaboka, mba ahafahana mandray andraikitra avy hatrany hamongorana ity biby mpanimba ity.
« Mahafaty ny biby fiompinay matetika ny fihinanana io radakaboka io » hoy i Francette, mpamboly sy mpiompy ao toamasina. « Tsy biby fotsiny fa efa nisy olona matin’izy io teto aminay » hoy i Lova, nanambara izy fa misy poizina mahery io biby io ka mahafaty raha tsy voatsabo haingana.
Mbola vitsy mpahalala eto madagasikara anefa ny radakaboka ka mety hahasarotra ny ady atao amin’ny famongorana azy izany. Tokony hatao ao anaty tetikasa ny fampahafantarana ny vahoaka ny mahakasika ity biby ity.
Aurélien Tsitarihina
