PolitiqueTatitra

Voapanga ho nanao fananararaotana ara-nofo ny mpiasany ny governoran’i New York

Nivoaka tamin’ny gazety “Times-Union” ao Albany, renivohitr’i New York ny vaovao mikasika ny governora any an-toerana, Andrew Cuomo, sy ny mpiasany izay tsy fantatra mazava ny loharanom-baovao nahitany izany.Notantarainy tao fa niseho tao amin’ny tranon’ilay governora ny tantara nisy teo aminy sy ilay mpiasany izay tanora kokoa noho izy. Izy ireo irery no tavela tao ary nangatahan’i Andrew Cuomo hanampy azy tamin’ny findainy ilay mpiasa. Nilaza ity mpiasa ity avy eo fa nokasihan’ilay governora tamin’ny fomba vetaveta kanefa tsy nametraka fitoriana tamin’ny fomba ofisialy akory avy eo.Nolavin’ny Governora anefa izao fiampangana izao. Kanefa mbola nanamafy ihany ilay Gazety ny talata lasa teo fa vehivavy enina no niampanga ny governora tamin’ny fikitihana azy ireo tamin’ny tsy ara-dalàna ny faran’ny taona 2020 tao amin’ny trano ofisialiny tao Albany. Mbola nandà izany ihany ilay governora ka tsy nanaiky hatramin’ny farany.

Laisser un commentaire