Tatitra

Indonésie : Lozam-pifamoivoizana nahafatesana mpianatra.

Olona 27 farafahakeliny, ao anatin’izany ny mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa, no maty nianjera tamin’ny fiara iray nitondra mpitety faritany tany amin’ny nosy Java, hoy ny tompon’andraikitra. Ny alin’ny alarobia lasa teo no nisehoan’izany. Tany amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Java no niseho ity loza ity. Fiara mpitatitra olona iray no nianjera tao anaty hantsana antsoina hoe “Sumedang”. Niezaka namoaka ireo olona sisa tsy maty sy tavela ny mpamponjy voina sy ny mponina tamin’ny toerana. Nitondra olona miisa 66 ity fiara ity ka rehefa tonga teo amin’ny lalana miodikodina amin’ilay toerana no nianjera tamin’ny hantsana 20 metatra. 39 amin’izy ireo sisa no velona. Nahitàna ankizy, mpianatra sy olona avy nanao tafika masina, izay tany amin’ny faritra “Subang” ao Indonésie ireto olona maty ireto.

Laisser un commentaire