ActualitésTatitra

Chine : Chow Yun-fat, nilomano tao anatin’ny filalaovana sarimihetsika

Mpilalao sarimihetsika fanta-daza i Chow Yun-fat. Teraka ny 18 Mai 1955 izy tao amin’ny nosy Lamma any Hong Kong any. Anisan’ireo mpilalao sarimihetsika malaza eran-tany ihany koa ny tena ary anisan’ny sangany manaraka andry Bruce Lee, Jackie Chan, ry Jet Li sy ry Michelle Yeoh. Ilay anarana John Woo tao amin’ilay sarimihetsika anisan’ny nahafantarana azy toy ny « syndicat du crime », « A toute épreuve », « The killer » sy ny « Les Associés ».

Brother Fat kosa no anarana nahabotrabotra azy noho ny izy nanana vatana tsara, manintona ary mahasarika. Nanomboka ny taona 1976 izy no nilalao sarimihetsika voalohany tao Hong Kong ary nihitatra tsikelikely izany noho ny fahitan’ny mpikarakara sarimihetsika ny talentany. Ny taona 1998 kosa izy no nanomboka ny asa maha mpilalao sarimihetsika matihanina azy tao  Etats-Unis.

Anisan’ireo kintana mamiratra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Chow Yun-fat, ary efa in-telo nahazo ny « prix du meilleur acteur » nandritra ny « Hong Kong Film Awards ».

Laisser un commentaire