ActualitésTatitra

La Réunion : Notsenain’ireo mpitaingina moto ny nofo mangatsiakan’i Mathis Bellon

Tonga tao La Réunion ny 5 Aogositra 2022 ny nofo mangatsiakan’ilay mpilalao moto zazalahikely fata-daza, Mathis Bellon izay tratran’ny loza tao Italie raha teny ambony moto. Nisy ny fanomezam-boninahitra ny nofo mangatsiakany nokarakarain’ny fianakaviany. Notsenain’ireo mpitondra kodiaran-droa maro be tao amin’ny seranam-piaramanidina Roland Garros i Mathis Bellon. Niray alahelo tamin’izao fahalasany izao ireo mpitaingina kodiarandroa namany. Ny rain’i Mathis no nitarika ny fitanjozorana ka ny kodiarandroa an’i Mathis no nentiny tamin’izany. Vao 8 taona monja I Mathis kanefa tena mpankafy tongomalady sy kodiarandroa sahady.

Laisser un commentaire