ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Miverina indray ny olan’ny fako eny amin’ireo fokontany

Miverina indray ny olan’ny fako eny amin’ireo fokontany ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana. Mivangongo ireo fako, ao an-toerana ka miteraka fimenomenomana eo amin’ny mponina izany.

“Anisan’ny mahasorena ihany ny mahita ny fitobian’ny fako, tsy manala tahaka izao. Ny vahoaka anefa dia mandray andraikitra sy manao adidy hatrany amin’ny fandoavana hetra. Ka anisan’ny tamberinadraikitra tokony sahanin’ny tomponandraikitry ny kaominina ny fanalana ireo fako ara-potoana mba tsy hampiemenomenona ny mponina” hoy i Daniel, manampahaizana momba ny fitantanana.

“Ilàna fiheverena ny momba ny fitantanana ny fako ety amin’ny fokontany satria manjary lasa mifampiandry ny mponina sy ny tomponandraikitra. Eo ihany koa ny lafin’ny fanentanana sy ny fandaminana satria miainga amin’izany no hisian’ny filaminana ety ifotony” hoy i Sahondra, mponina ao Ankadikely.

Zava-dehibe ny fametrahana rafitra mati-paika mitantana ny fako ao amin’ny kaominina. Ny fako izay miteraka olana hatrany eny ifotony ary anisan’ny manome taratra ny fandraisana andraikitra. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao moa no tena mila hesorina ireo fako hisorohana ny fiparitaha n’ny aretina sy ny fahatsetsenan’ny tatatra.

Laisser un commentaire