Ambohimangakely : Azo trandrahana ho zezika sy ho entona fandrehitra ny diky
Noraisina teny Ambohimangakely ireo fitaovana ara-teknika manodina ny diky ho zezika azo ampiasaina sy azo atao ho entona fandrehitra ho ampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro. Betsaka tokoa mantsy ny manao tsinotsinona azy ireny kanefa azo trandrahana ahitana vola tsara izany. « Ambohimangakely mandroso no tanjona ka tsara raha mikaroka zava-baovao hatrany ho entina hampandrosoana ny tanàna sy hanajana ny fahadiovana » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry.
« Ny maloton’olombelona dia ariana fotsiny kanefa ny olona sasany misy mpanakarena mihitsy amin’io zavatra iray io. Tiako ny manambara fa tsy tokony hisy zavatra very fotsiny amin’izao izany fa matoa ireny misy dia misy antony avokoa ka anjarantsika no mitrandraka izany » hoy i Rado, teknisianina mikasika ny fanodidina ny diky. « Sambako androany aho vao nandre fa azo ahodina ny diky, zava-baovao be mihitsy ka tsara raha atao fakan-tahaka » hoy i Lova, mponina ao Ambohimangakely.
Misy antony avokoa ny misy rehetra, ary ireny no tari-dalana hirosoana ho any amin’ny fandraharahana. Ny fandraharahana manko dia fitrandrahana ny zava-misy eo am-pelatanana ho azo avadika vola ka hitondra soa sy fampandrosoana eo amin’ny olona iray.
Nicole Rafalimananjara
