ActualitésTsidika

Fifidianana : Nahemotra hatramin’ny volana janoary ny fanisana mpifidy.

Vinavina ny hamarana ny fanisana ny mpifidy sy famoronana lisitry ny mpifidy vaovao ho vita amin’ny faran’ity taona 2022 ity. Tsy tratra anefa izany tanjona izany ka voatery tsy maintsy notohizana hatramin’ny faran’ny volana janoary ny fanisana ny mpifidy eny amin’ny fokon-tany tsirairay eny. Efa nivoaka ny didim-panjakana manambara izany fihemorana izany.

« Tanjona tamin’ity fanisana ity ny hampiditra mpifidy 13 tapitrisa olona ao anatin’ny lisitra. Tsy tratranay avy ato amin’ny CENI anefa izany na dia miasa andro aman’alina aza ireo mpiasa maro be izay efa nokaramaina manokana ato aminay. Nahemotra ho amin’ny 31janoary ny farany ka izay mbola tsy ao anaty lisi-pifidianana aorian’izany dia afaka manatona ny fokontany ka misoratra anarana mialohan’ny hanakatonana tanteraka ny fanisana », hoy ny Tompon’andraikitra avya ao amin’ny CENI.

« Tsy maintsy misy foana ny toy izao amin’ny resaka ara-panjakana satria tsy hay hoe avy aiza ny olana. Matoa izay no vinavina dia tokony samy niezaka nanatratra izany tanjona izany avokoa ireo mpiasa. Misy anefa tsy hampoizina dia manaiky izahay ary hirariana mba ho lisitra marina no mivoaka eo », hoy i Andry, mpanaraka ny raharaha Politika eto Madagasikara.

Miisa 7 211 285 ny mpifidy misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny tatitry ny CENI. Marihina fa hampiasaina amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy ny lisitra voarakitra taorian’io fanavaozana io. Marihina ihany koa fa afaka manao fitarainana ireo mahita tandrevaka na zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ka mety mampikatso ny asa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire