ActualitésTsidika

Anjeva : Tsy mbola voavaha ny olana ateraky ny fofona ao amin’ny tannerie

Efa an-taonany maro izao no niaina tao anaty fofona ratsy ateraky ny orinasa izay mpanamboatra hoditra (tannerie) ireo mponina monina izany orinasa izany ao amin’ny kaominina Anjeva. Araka ny voalaza, efa nisy hatrany ny fitarainana sy ny fitadiavam-bahaolana, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, manoloana izany, fa tsy mbola voavaha ankehitriny.

« Maro no mitaraina sy manao fanamarihana momba ny fofona mavesatra avoakan’ny orinasa eto amintsika, indrindra fa izay miantraika amin’ny reniranon’Ivovoka. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa misy an’ity kahie maitso ity izay fandraisana sy firaketana ireo fitarainana sy fanamarihana ara-tontolo iainana mahakasika ny orinasa koa aza misalasala manatona ety amin’ny biraon’ny kaomina » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Efa an-taonany maro no niresahana ny mahakasika io fofona ratsy sy ny vokatra aterak’io orinasa io amin’ny tontolo iainana. Efa iaraha-mahita ihany koa ny vokany eo amin’ny resaka rivotra iainana isan’andro ka ny vahaolana avy hatrany no tokony ho raisina fa samy mahare ny fofona daholo ny rehetra » hoy i Théophile, mponina ao Anjeva.

Miteraka voka-dratsiny lehibe eo amin’ny tontolo iainana tokoa ireo loto sy ny akora izay mivoaka avy amin’ity orinasa ity, tsy ny eo amin’ny tontolo iainana ihany anefa izany fa eo amin’ny fahasalamana ihany koa, izay hanaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ny fijerena izany eny ifotony.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire