Ambohimanambola : Ho avy tsy ho ela ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna
Mikarakara lalao baolina kitra « Coupe du maire 2022″ ny kaominina Ambohimanambola. Hisy ny lalao hifaninanan’ny samy fokontany mandritra izany. »Hanomboka amin’ny 14 may hatramin’ny 26 jona 2022 ny lalao hifanintsanan’ireo mpandray anjara rehetra. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 5 may ho avy izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Fanatanjehan-tena be mpankafy eto Avaradrano mihitsy ny baolina kitra. Saika ahitana lalao avokoa ny kaominina rehetra eto. Mahafinaritra ny fanomezana sehatra ny tanora toy izany » hoy i Hery, mponina ao Ambohimanambola.Isan’ny mampihena ny fandraisan’ny tanora zava-mahadomelina sy mampihena ny tsy fandriam-pahalemana ny fikarakarana sy fampiroboroboana ny lalao baolina kitra toy izao. Efa betsaka ny lalao nokarakaraina, ary mbola hirobrobo hatrany izany.
