Tafiakatra 50 000 tapitrisa Ariary ny trosa amin’ny solika amin’ireo mpandraharaha
Niantso ny fitondram-panjakana ny « Office Malgache des hydrocarbures na ny OMH » ny volana jona lasa teo ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny vidin-tsolika. Tafiakatra 75 Dolara ny vidin’ny iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao vokatry ny fiverenan’ny tinady ara-tsolika.
« Tsy nisy ny fanetsehana ny vidin-tsolika teto amintsika kanefa efa niakatra ny vidiny teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hany ka tafiakatra 50 000 tapitrisa ariary ny trosa amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika » hoy ny Tale jeneralin’ny OMH. « Mila miditra an-tsehatra ny fitondrana hamahana ireo olana eo amin’ny vidin-tsolika ka hanome ny marimaritr’iraisana eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa satria raha miakatra ihany koa ny vidin-tsolika dia vao maika hikaikaika ny vahoaka Malagasy » hoy i Liva, mpamily fiara fitateram-bahoaka.
« Mila jerena ny tombotsoan’ny rehetra manoloana ny vidin-tsolika satria i Madagasikara mandroso no tanjona fa tsy ny olon-tokana akory » hoy i Samuel, mpahay toe-karena. Marihina fa efa nanomboka ny volana jona 2019 teo no tsy niova ny vidin-tsolika teto Madagasikara. Efa miverina amin’ny laoniny ihany koa ny fandaniana ara-tsolika raha toa ka latsaky ny 16% ny fandaniana solika teto Madagasikara ny 2020 teo dia efa mihamanakaiky ny tamin’ny taona 2019 kosa amin’izao fotaoana izao. Efa miakatra ny vidim-piainana, dia hiakatra ihany koa ve ny vidin-tsolika ?
Nicole Rafalimananjara
