ActualitésTsidika

Mihena ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany

Raha ny filazan’ny PricewaterhourseCoopers (PwC), orinasa mpanadihady sy mpanoro hevitra, dia nihen-danja ny fampiasantsika eto Madagasikara vola mivantana avy any ivelany. Niaina fihenam-bidy lehibe tamin’ity taona ity ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany hoy Andriamisa Ravelomanana, mpitan-kaonty sy mpiara-miasa amin’ny orinasa PwC eto Madagasikara. Noho izany, lasa niadana ny hetsika ara-toekarena teto amintsika.

Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 2019 no nisian’ny valanaretina covid-19. Antony nampiadana ny hetsika ara-toekarena teto Madagasikara anefa izany ary tsy nahafa-bela azy. Saingy nametraka aloha ny fahalemen’ny fampiasam-bola anefa ny fisian’ny fandringanana avy amin’ireo areti-mandoza izay efa nanjaka tamin’ny Nosy lehibe. Ny toe-draharaha politika miovaova sy ny fampiasana zaza tsy ampy taona ihany koa no mbola sakana ho amin’izany fampiasam-bola izany. Kanefa ankoatran’ireo, ny sakana amin’ny fomba fiteny no tena antony goavana mampihena ny fampiasam-bola eto amin’ny Nosintsika. Tsy mifankahazo noho izany ireo olona tokony hampiasa vola sy ireo vahiny mampiranty sy mivarotra ireo vokatrany eto amintsika.

« Efa miezaka ny miteny gasy sy mahazo teny gasy ihany aloha ny sinoa izay mpivarotra efa maro an’isa eto amintsika e ! » hoy i Rova, mpanjifa entana amin’ny sinoa. Tsy mbola mifankahazo resaka tsara amin’ireo karana izahay rehefa manjifa entana ao kanefa ilay mpiasa Malagasy sasany ampiasain’izy ireo manararaotra be indraindray  » hoy kosa i Ratovo, mpanjifa entana amin’ny karana. Betsaka anefa ireo toeram-pivarotana nikatona sy ireo fandraisana entana avy any ivelany no tapaka nandritra ny firongatry ny valanaretina Covid-10.

« Efa talohan’ny areti-mandringana dia tsy goavana ny fampiasam-bola  » hoy hatrany ny PwC. « Tokana ny teny Malagasy ho an’ny Nosy Madagasikara » hoy i Jacques Dez, mpandalina ny teny Malagasy. Tonga teto amintsika ireo vahiny toy ny frantsay, anglisy, sinoa, kanadiana mba hamatsy vola an’i Madagasikara ary hiara-hiasa aminy. Tokony hianatra sy hizatra hiteny malagasy tahaka antsika anefa izy ireo mba hisian’ny fifankazahoana mazava eo amin’ny lafiny fiteny. Ary araka ny nambaran’ny manam-pahaizana, tokana ihany ny teny malagasy ka tokony ho azon’izy ireo daholo izany n any fitenim-paritra n any fiteny merina.

Araka ny fantatra, ny PwC izay orinasa mampiasa olona maherin’ny 700 sy mpiara-miasa 80 manerana an’i Afrika atsimon’i Sahara. Marihana fa orinasa miasa amin’ny sehatra tsy miankina izy ireo. Niara-niasa bebe kokoa tamin’ny sehatry ny daholobe izy ireo tato ho ato. Ary hinoana tanteraka fa hampandroso ny maro amintsika ny fisian’io orinasa io. Raha izay ary, mety hampivoatra antsika foana ve ny hevitra hatoron’izy ireo antsika ka hampitombo ny lafiny ara-bola eto amintsika ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire