Etats-Unis : Voaheloka higadra 365 taona ilay mpampianatra nanolana mpianatra enina
Tontosa tao Etats-Unis ny fitsarana an’i Terence Green, 57 taona ary mpampianatra dihy. Voampanga nanolana ny mpianany izy ary raha ny fanazavana dia nanomboka ny taona 1990 ny tenany no nanao herisetra ara-nofo voalohany tamin’ny tovolahy 14 taona. Nitohy hatramin’ny taona 2019 tamin’ny zatovo maromaro teo anelanelan’ny 14 sy 17 taona izany raha ny fanazavana.
Tao amin’ny sekoly Cleveland tao Ohio no nampianatra i Terence Green. Raha ny tatitra dia miray efitra amin’ny mpianatra sasantsasany izy manditra ny dia fibehazana ary nandritra izany no nisehoan’ny ankahamaroan’ireo tranga fanolanana.
Manoloana ny tranga kosa dia voaheloka higadra 365 taona tao i Terence Green. Voasazy nandoa lamandy 3 tapitrisa dollars ihany koa ilay sekoly niasany manoloana ny tsy fijerena ny firaketana heloka bevava an’io mpampianatra io, izay efa efa voaheloka any aloha noho ny herisetra ara-nofo.
