Ankadinandriana: Hisy ny fifaninana isan-karazany mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena
Hisy ny karazana fifaninana izay atolotry ny fikambanana zanak’Ankadinandriana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ity. Misy araka ny fisoratana anarana mialoha mila atao ho fandaminana sy fiomanana amin’izany, araka ny voalaza.
“Izay handray anjara amin’ireo fifaninana dia afaka misoratra anarana avy hatrany any amin’ireo tomponandraikitra isan’isany. Ilaina izany mba ho fandaminana ny fifaninana. Hatramin’ny 19 jona no hanatanterahana izany” hoy ireo mpikarakara ny hetsika.
“Efa ela tsy nisy tahaka izao tety an-toerana, hisaorana ireo mpikarakara satria manome vahana ny fanatanjahan-tena sy ireo mpikatroka ao anatiny. Anisan’ny mba manana tanora manana ny maha izy azy sy mamiratra amin’ny fanatanjahan-tena raha i Ankadinandriana” hoy i Tiana, mponina mponina ao an-toerana.
Fifaninanana ara-panatanjahan-tena maro isan-karazany toy ny baolina kitra, ny pétanques, ny taranja basket ary ny vako-drazana moa no hiseho mandritra izany. Aharitra telo andro ny fifaninanana no sady ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenana.
Manitra R.
