ActualitésTsidika

Fiovan’ny toetry ny andro mandritra ny faran’ny herinandro

Araka ny fampitam-baovao nataon’ny teo anivon’ny sampana fampahafatarana ny mety ho toetry ny andro dia ho ratsy ny toetr’andro anio sy mandritra ny faran’ity herinandro ity. Ho an’ny faritra ampovoan-tany sy ny faritra antsinana manokana dia hisy ny fidinan’ny maripana.

Hisy ny fifandimbiasan’ny hatsiaka sy ny rivotra ary herika ka vinavinaina ho 8°C hatramin’ny 20°C ny maripana amin’ny tapany maraina ary manodidina ny 16°C hatramin’ny 24°C ny hariva. Marihina hatrany fa mbola antin’ny vanim-potoana ririna isika eto madagasikara amin’izao fotoana izao. Entanina isika noho izany hihomana amin’ny fitrondrana akanjo mafana. Mikorontana tanteraka ny vanim-potoana eto Madagasikara nohon’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ka tsy tokony hahagaga antsika intsony ny fiovaovan’ny toetry ny andro vokatr’izany. Mila tonga saina isika mponina noho izany, atsaharo ny doro-tanety, aok’izay ny fanapahana ny ala.

« Andeha isika hiara-hientana iaro sy hikolokolo ny tontolo iainana amin’ny hanaovan-tsika fambolen-kazo » hoy i Naivo, tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho an’ny tombotsoa iombonana, aandeha isika hiara-ientana hiaro sy ho sarotiny amin’ny fikolokoloina ny tontolo iainana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire