ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Lehilahy efatra nangalatra, tratra nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary

Mitohy hatrany ny hetsika fisafoana amin’ny andro alina ataon’ny zandarimaria ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nahitam-bokany hatrany izany. Ny Alatsinainy maraina vao mangiran-dratsy, lehilahy miisa efatra no tratran’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny provandy telo gony.

« Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny mpitandro filaminana, amin’ny fanatanterahana ny fisafoana amin’ny alina dia tratra izy efa-dahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’ny fokontany Behintsy, Ambohimangakely » hoy ireo mpitandro filaminana.

« Nandritra ny famotorana savaranonando natao azy ireo no nilazany fa nangalariny tamin’ny mpivarotra sakafom-biby ireo provandy telo gony izay tratra teny amin’izy ireo. Nandraisana fepetra avy hatrany moa ireo ary mitohy ny famotorana azy efatra » hoy hatrany ny fanazavana.

Nogiazan’ny mpitandro filaminana moa ireo entana izay nangalarin’ireto olon-dratsy ireto ary ho averina amin’ny tompon’entana. Mitohy hatrany kosa ny asa izay ataon’ny mpitandro filaminana ary mangataka ny vahoaka ihany koa ho mailo sy hiara-hiasa amin’izy ireo hatrany, hamongorana ny mpanao ratsy.

Manitra R.

Laisser un commentaire