ActualitésTatitra

Seychelles : Mitohy ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ny ankizy

Nanomboka ny 31 janoary teo ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ny ankizy 5 hatramin’ny 11 taona ao Seychelles. Ny minisiteran’ny fahasalamana, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ary vokovoko mena ao amin’ny no miara miasa amin’io hetsika io. Ny vaksiny « pédiatrique Pfizer-BioNTech » kosa no hampiasaina amin’ireo zaza ireo. 3 herinandro kosa ny fanatontosaina ny fatra voalohany sy faharoa.

Maro ireo ray aman-dreny resy lahatra amin’ny fampanaovam-baksiny ny zanany saingy tsy vitsy ihany koa ireo mbola miahiahy ny amin’izany hoy ny tale jeneran’ny « Agence de Soins de Santé », Danny Louange. Ho an’ny sekoly Bel Eau manokana raha ny fanamafisany dia ray aman-drenin’ny mpianatra 450 isa no nanaiky izany.

Laisser un commentaire